1 Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.

2 Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbaminny filazana ny fahalehibiazani Mordekay, araka izay nanadratanny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao aminny bokinny tantaranny mpanjakani Media sy Persia va izany ?

3 Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka ani Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza taminny Jiosy ka nankasitrahanny rahalahiny maro, satria nitady hahasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana taminny olona rehetra iray firazanana aminy.
